Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
5 septembre 2015 6 05 /09 /septembre /2015 08:07

*

Mba tsy hisy intsony olona atao popetin'ny hafa ka ampiasaina manatanteraka ny karazana programa toy izao : 

*

Mila tena arovana be mihitsy izany ny amin'ny fanomezana ala-olana maharitra sy tsapa itànana ny tontolon'ny mpianatra sy ny mpitaiza (na any amin'ny Oniversite na tsia), ary ny kalitaom-pianarana sy ny kalitaom-pitaizàna...

Taloha ny ankamaroan'ny tanora malagasy sady feno fisainana sy azo atokisana no moteran' ny Oniversite sy ny sekoly eran-tany. Ankehitriny, tady hiova sa efa, tandremo.  Betsaka no tsy ampy fitaizàna na dia azo atao hoe zanak'olona tokony manana ny maha-izy azy aza, vitsy ny miezaka manatanteraka ny fianarana, maro no miaina ny ara-nofo ihany sy izay ahazoana vola vetivety, tratra mangalatra sy mandainga aza indraindray. Manala baraka ny tenany, ny malagasy sy ny firenena, ary koa mahafaly ny mpanao programa toy io voalaza io. Marina fa tsy mora, anefa mila ampiana sy atanjahana amin'ny fomba tsapa itànana arak'izay azo atao ny mpampianatra mampisy vokatra, ny ray aman-dreny mitaiza ary ny mpianatra mazoto rehetra.  Na ara-pitaovana izany: birao , seza, ordinatera, fahafahana mahazo aterineto (internet), fitaterana maro, tranomboky (bibliothèques). Na amin'ny lafin'ny fahasalamàna: sakafo misy otrik'aina, toerana fanatanjahantena. Na amin'ny tontolo iainana izany: fahanginana, fahadiovan'ny rivotra, toerana malalaka sy voavaotra, fandriampahalemana. Na amin'ny lafiny fanajàna na amin'ny teny na amin'ny fietsika: mandre izay ilainy mba ahalavorary ny fikasàna tsara rehetra. Na amin'ny fiarovana ny fiadanan-tsainy. Na koa amin'ny lafin'ny tolo-kevitra ary ny fiofanana ara-tsaina sy ara-panahy indrindra indrindra.  

Partager cet article
Repost0
Published by Josy

 

 

 

 

 

 

 

 

Continue ta vie avec ceux qui t'aiment vraiment, qui améliorent ta situation réellement et te rendent   heureux(se). Laisse tomber  ceux qui, à travers leurs actes, ne s'appliquent pas   à cela.